Sarotra ny fanarenana ny kaompaniam-piaramanidina Air Madagascar
Anisan’ireo nizaka ny voka-dratsy nateraky ny valan’aretina covid19 ireo mpisehatra amin’ny fizahan-tany, indrindra moa fa ireo kaompamania fitaterana anabakabaka nohon’ny fikatonan’ny sisin-tany na ho an’ny zotra anatiny na ho an’ny sehatra iraisam-pirenena.
Raha ny kaompania Air Madagasacar manokana no hitodiana dia tsahivina fa tsy nisy Tale intsony ity farany tao ahorianan’ny fametram-pialan’i Besoa Razafimaharo nanomboka ny Oktobra 2019. Ankehitriny raha ny vaovao voaray avy amin’ireo mpiasa ao dia « tsy afaka manao ny sisidina fanaony ireo Airbus A340 izay marihina fa mampitohy an’i Madagasikara sy Chine ary Paris.Ny Boeing 737 nofaina izay efa naverina vao tsy ela akory izay. Ny ATR izany sisa no fiaramanidina miasa manao zotra anatiny izay mampitohy ireo faritra maro eto Madagasikara ». Ity kaompania ity izay efa tafiditra anatin’ny fatiantoka tanteraka ary tafalatsaka anaty fahasahiranana lalina nohon’ny krizy ara-pahasalamana sy fiangonan’ireo trosa teo aloha izay mbola tsy voahefa. Ny olana teknika izay sedrain’ireo fiara-manidina izay efa mangony fotsiny, no sady anisan’ireo antony tena nampiditra azy tao anatin’ny ‘’annexe B de la liste noire’’-ny vondrona Eoropeanina tamin’ny taona 2016 tany ho any, nohon’ny tsy fanarahana sy fahafenoina ny fenitra takian’ny vondrona.
Na teo aza anefa izany olana goavana sedrain’ity kaompania ity dia tsy nikely soroka fa nihezaka nitady vaha olana sy paikady entina hanarenana izany ireo mpitantana saingy mbola manjavozavo ihany zany ankehitriny. Izany indrindra no hiverenan’ireo ao amin’ny « Conseil d’Administration » hiverina hidinika an-databatra boribory amin’ny Alatsinainy 16 aogositra ho avy izao. Ny hany vaovao fantatra raha araky ny tenin’ny tompon’andraikitra iray ao dia’’misy ny paikady ampandeha ny zotra anatiny izay sahanin’ny Tsaradia sy ny fikasana hanofa fiaramanidina hampitohy an’i Madagasika sy France, ka vola mitentina eo amin’ny 30 tapitrisa dolara eo no kasaina enti-manana amin’izany.
Ireo sindikan’ny mpiasa etsy ankilany dia « manohitra tanteraka ny fandefasana chomage technique ny ampahan’ireo mpiasa na koa ny fanenana ny karama raisina raha anisan’ireo mpiasa voatazona ny hijanona hiasa » hoy ny mpitondra tenin’izy ireo. Anisan’ny tena andrasan’ny mpanara-baovao amin’io dinika an-databatra boribory io koa moa ny ho mety fanolorana ny anaran’ireo izay hirotsaka ho Tale mpitantana ity kaompaniam-pitaterana anabakabaka Malagasy ity.
Raha naneho ny heviny ny olon-tsotra mpanaraka akaiky ity raharaha ity dia nilaza fa « mila vina maty paika raha ny fanarenana ity kaompaniam-pitaterana anabakaka izay mitondra ny lokon’ny sainam-pirenena Malagasy ity, anisan’ireo endrika isehoan’ny fiandrianam-pirenena izany ka tsy tokony atao kinanga velively ».
Mipetraka ny ady hevitra amin’ireo samy mpanara-baovao hoe « mbola mety ahitana vahaolana maharitra tokoa ve ny fanarenana ity kaompania Air Madagascar ity raha ny olana maro izay efa nosedrainy nandritra izay taona maro izay ? »
Fanja Rakotoarisoa
