Tsy maintsy hiroso amin’ny fampiakarana saran-dalana ny mpitatitra any Ambilobe noho ny faharatsin’ny lalana
Nanambara ny filohan’ny Astram na ny Fikambanan’ireo mpitatitra fa tsy azo ihodivirana ny fampiakarana saran-dalana manoloana ny lalana ratsy eto madagasikara. Efa mampiteny ny moana mantsy ny lalana Ambilobe makany Antsiranana 136km no atao adiny sivy.
« Tsy manan-tsafidy izahay satria tena mahatsiaro maty antoka noho ny haratsian’ny lalana » hoy i Gilbert, mpitatitra. Nanamafy ihany koa ny mpitatitra hafa fa tsy mba nahazo fanampiana avy amin’ny fanjakana izy ireo na ratsy ny lalana na miakatra ny vidin-tsolika nefa asa fitaterana dia asa ho an’ny vahoaka ihany. « Efa ela vao tonga kanefa ny tsy fandrim-pahalemana anefa mamely ihany hany ka tsy maintsy tompon’antoka amin’ny entan’olona very eny ambony fiara » hoy ny avy ao amin’ny kaoperativa. Etsy an-kilany anefa milaza ny sahirana ireo vahoaka ary manahy amin’ny fiakaran’ny saran-dalana. « Ny fiainana efa sarotra sady iaraha-mahita izao zava-misy izao, ny vidim-piainana efa lafo kanefa hiakatra ihany koa ny saran-dalana » hoy i Josephine, mponina any an-toerana.
Manjaka ny tsy fandrim-pahalemana satria manararaotra ao anaty lalana ratsy ireo olon-dratsy. Hisy ny fanapahan-kevitra horaisain’ireo mpitatitra manoloana izany rehetra izany. Hanao ahoana ny mety ho tohiny ? Inona no mety ho fiatraikan’izany amin’ny fiainan’ny vahoaka any ifotony ?
Nicole Rafalimananjara
