Hankalazaina maneran-tany ny herinandro natokana ho an’ny fampinonoan-dreny
Natomboka ny 1 Aogositra teo ny herinandro iraisam-pirenena ho an’ny fampinonoan-dreny. Hetsika natao indrindra mba hampaherezana sy hiarovana ny manodidina ny fampinonoan-dreny. Nifantoka kokoa amin’ny fampinononan-dreny ny OMS mandritra ny volana Aogositra. Zava-dehibe tokoa mantsy izany satria sady aina noho izy miantoka ny ain’ny menaky ny aina. “Ny fampinonoan-dreny tsy misy fangarony hatyramin’ny faha enimbolan’ny zaza dia tena zava-dehibe tokoa amin’ny fisoroahana aretina maro mety hahazo ny reny sy ny zaza” hoy I Dokotera Rado. Mahasoa ny zaza tokoa ny fampinonoan-dreny mba hanampy azy amin’ny hery fiarovana hiadiany ireo aretina maro hoy i Fleurette, renim-pinakaviana. “Ilaina eo amin’ny fitomboan’ny zaza ny sakafo amin’ny alalan’ny nonon-dreny, koa aoka tsy ho atao ambanin-javatra ary mila indrindra antsika raim-pianakaviana amin’izany mba hifanampy sy hifanohana amin’izany” hoy i Jeanot raim-pianakaviana. Misy anefa ireo renim-pinakaviana manao tsinotsinona izany fampinonoana izany, hany ka mampiasa fitaovana solon’ny nono ho an’ny zanany. Misy fiatraikany eo amin’ny fitiavan amin’ny reny sy ny zanaka ihany koa ny fampinonoan-dreny vokatry ny fifampikasohana eo amin’ny roa tonta. Adidy amin’ny zanaka raha teo izany ka mankahery ny renim-pianakaviana rehetra mampinono.
Nicole Rafalimananjara
