Etats-Unis: Tsy maintsy manao vaksiny ny mpiasan’ny Facebook sy ny Google
Tsy maintsy atao ny vaksiny fanefitry ny coronavirus ho an’ireo mpiasa ao amin’ny orinasa Facebook sy Google any Etats-Unis. Ny manam-pahaizana amerikanina no niteny izany ny alarobia 28 jolay. Efa manomboka miparitaka be manerana izao tontolo izao ny covid-19 ka ny fanaovam-baksiny no sisa fanafan’izany. Nametra ireo mpiasany ho tsy maintsy manao vaksiny ny Google sy ny Facebook. Noho izany tsy mahazo miasa raha tsy vita vaksiny. Na dia efa miparitaka manerana an’izao tontolo izao aza ireto orinasa ireto di any mpiasa ao Etats-Unis ihany aloha no nametrahana izao baiko izao. Ny 18 oktobra no miverina miasa avokoa ny mpiasa ary ny volana septambra no hanaovana ny vaksiny.
