Miasa manomboka androany ny Bus Class
Manomboka hifamezivezy ao an-tanàn-dehibe ny alatsinainy izao ny « Bus Class ». Ny fiatombohan’ny volana aogositra izao no hampidirana amin’ireo zotra 7 mihazo ny tanàn-dehibe izany. Voakasik’izany ny zotra 194 mampiasa ny làlan’i Mausolée makany Andranomena, ny 192 mandeha Ilafy makao Alasora ary ny 015 mampitohy an’i 67ha sy Alasora.
« Efa natao izay mahalana indrindra ny fiatoan’ny fitanterana, hofehezina fiatona 3 na 4 eo izany miainga any amin’ny fiaingany makany any amin’ny farany » hoy Randrianantoandro Lova filohan’ny fikambanan’ny kaoperativa mpitatitra. « Tsy manao pata-dalàna ny fiara ary tsy mitondra entana. 1500 Ariary ary tokana ny sara-dàlana » hoy kosa ny fepetra navoakan’ny ao amin’ny kaominina an-drenivohitra. Hiasa manomboka amin’ny 5 ora maraina hatramin’ny 21 ora alina izany.
« Raha ny endriny aloha toa tsy arakaraka ny nampanatenaina no tonga » hoy ny renim-pianakavana iray. « Tsy atahoranay hanimba ny asanay aloha hatreto ny fisian’ity Bus Class ity » hoy ny mpamily amin’ny 194 iray. Raha ny heviny dia tsy mbola hisarika olona maro izany.
Hasina Rasamimanan
