ActualitésTsidika

Tsy an-tery ny fanaovam-baksiny

Misokatra ny fisoratana anarana amin’ny fanaovam-baksiny. Ankoatra ny fisoratana anarana eny amin’ny ivon-toerana fanaovam-baksiny toy ny fanao teo aloha dia azo atao ihany koa ny misoratana anarana amin’ny Internet sy ny hafatra ary ny laharana maintso hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis nandritra ny fanambarana nataony. Efa an-dàlam-panatanterahana io fomba fisoratana vaovao io ny ministera rehetra voakasika raha ny fanazavana. Tsy nomarihiny kosa nefa ny fanombohan’ny fisoratana anarana sy ny fanombohan’ny fanaovam-baksiny.

Raha tsiahivina dia tonga teny Ivato ny talata teo ny Vaksiny andiany faharoa. « Tsy an-tery ny fanatanterahana izany ary maimaimpoana tanteraka » hoy hatrany ny minisitra. Ireo izay mbola tsy nahazo ny andiany voalohany dia afaka misitraka ity vaksiny ity avokoa saingy hisy ny lamina hapetraka ho an’ireo sokajin’olona tena hiantefany. Raha ny fanazavanan’ny mpitsabo dia « tsy misakana tsy ho tratra ny tsimok’aretina ny vaksiny saingy fiarovana amin’ny tranga misy fahasarotana », tsy hatahorana izany raha ny fanazavany saingy tsy ferana foana ny fisian’ny vokany toy ny tazo sy ny aretin’andoha.

Toy ny teo aloha dia hisy ny taratasy fanamarinana fa nahazo ny fatram-baksiny ny olona iray. Fanavaozana nentina kosa ny fisian’ny « code barre » sy « QR code » ho an’ireo nahavitana izany. Tsy entina hanaovana tsinotsinona ny fepetra ny fahavitana vaksiny, mbola mety hitondra ny tsimok’aretina ny olona nahavita izany.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire