Velon-taraina amin’ny hatsiaka ireo mpampanofa vatana
Mitaraina ankehitriny ireo mpampanofa vatana, na mpivaro-tena, noho ny hatsiaka mamirifiry amin’ny alina amin’izao andro ririnina izao. Tsy izay ihany anefa no mampitaraina azy fa eo ihany koa ny fihenan’ny mpanjifa manoloana ny aretina isan-karazany indrindra ny covid-19.
Efa nanjary asa fiveloman’ny vehivavy sasany mihitsy ny fivarotana fahafinaretna ankehitriny, noho ny tsy fahampian’ny asa ve sa noho ny tsy fisian’ny fahaizana enti-miasa ? « Mamirifiry loatra ny alina no sady tsy dia misy ny mpanjifa, izahay anefa mamelon-janaka no tsy maintsy mihinana tahaka ny olon-drehetra » hoy ireo mpivaro-tena.
Etsy an-kilany naneho hevitra mikasika izao fitarainana nataon’ny mpivaro-tena izao ny mpandalo iray ka niteny hoe « Mitaraina fa mangatsiaka amin’ny alina dia inona izany no tiany hahatongavana ? Mangataka sakafo mafana sa afon-dasy apetraka mandrapahatongan’ny mpividy ? Tsy tokony hitaraina mihitsy satria safidy io ary tsy vao tamin’ity taona ity akory no nisy ririnina ».
Nilaza kosa anefa ny renim-pianakaviana iray fa tokony jerena akaiky mihitsy ity asa ity satria tokatrano maro no mivelona amin’izany, mila fanampiana izy ireo. Asa somary tsy mifanaraka loatra ny kolontsaina Malagasy ny fivarotan-tena kanefa azo lazaina fa tsy vitsy ny misehatra izany eto Madagasikara noho izy asa tsy mitaky diplaoma sy tsy mifidy taona. Inona anefa no vahaolana ho azy ireo ? Vahaolana ve ny famoronana asa vaovao ary fanafoanana izany asa izany ?
Nicole Rafalimananjara
