SocialTsidika

Andalam-pahavitana ny oniversite any Analanjirofo Fenoarivo Atsinanana

Efa eo andalam-pahavitana ny fananganana ny oniversite, izay nampitondraina ny anarana Universite d’Analanjirofo, ao Fenoarivo Atsinanana. Ny taona 2020 no nanomboka ny asa ary izao efa andalam-pahavitana izao.

Raha tsiahivina dia anisan’ireo Faritra 7 voalohany nisitraka ny Oniversite ny Faritra Analanjirofo. « Hanala fahasahiranana ireo mpianatra zanaky ny Faritra izay vao afaka Bacc ity Oniversite vaovao ity satria dia ho afa-pahasahiranana ireo Ray aman-dreny tsy voatery handefa ny zanany handranto fianarana any Toamasina na Antananarivo intsony » hoy ny tompon’andraiki-panjakana any an-toerana. « Isan’ny olana niajadianay taty Analanjirofo ny tsy fanananay fahefana hampianatra ny zanakay lavitra, koa isan’ny vahaolana mety mihitsy izao » hoy i Charline, renim-pianakaviana monina any an-toerana. « Efa tsy ho ela dia hisokatra ny fampianarana ho an’ny anjerimanontolo, ary efa hamarana ny asa izahay » hoy kosa ny teo amin’ny lafin’ny fanamboarana.

Ny fampianarana ny ankizy handrato fianarana amin’ny ambaratonga ambony mba hahavita hikaroka izay hampandroso ny firenena dia isany vahaolana maharitra ho an’i Madagasikara. Mila hatsaraina hatrany ny kalitaon’ny fanabeazana mba hiakaran’ny kalitaon’ny fahaizana ihany koa.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire