Maurice : Manao fanadinana ny ao amin’ny Oniversite na dia eo aza ny coronavirus
Manoloana ny fihanakin’ny covid ao Maurice dia tsy nofohanana akory ny fanadinana ao amin’ny Oniversitén’i Maurice izay hamaranana ny taom-pianarana. Nanomboka ny 26 jolay teo izany.Mitaintaina ireo mpianatra satria tsy mitsahatra mitombo ny isan’ireo marary isan’andro any an-toerana ka matahotra ny amin’ny fahasalamany izy ireo. « Tokony nanao vaksiny daholo ny mpianatra ato amin’ny UoM na “The University of Mauritius”, ary tokony nanampy ireo tsy vita vaksiny ny oniversite » hoy i Zulaykha Doobory, mpianatra taona fahefatra ao amin’ny « Electronics with computer science engineering ».Maro no nanome tsiny ny amin’izao mbola fanaovana ny fanadinana izao kanefa ny aretina efa tena miparitaka.
