SocialTsidika

Mpamaky trano efatra tratra ambodiomby

Lehilahy efatra no tratran’ny polisim-pirenena avy eo Mahamasina ny alahady teo tamin’ny 1 ora maraina. Teo am-pamakiana trano fivarotana mihitsy ireto jiolahy ireto no tra-tehaky ny mpitandro filamanana. Sivy izy ireo no nanao ny asa ratsy, saingy vao nahita ny polisy kosa izy ireo dia vaky nandositra ka raikitra ny fifanenjehana. Dimy tamin’ireo no tafatsoaka ary efatra no voasambotra.

« Efa eny anivon’ny sampan-draharahan’ny polisy misahana ny ady amin’ny heloka bevava ny famotorana » hoy ny tompon’andraikitry ny raharaha. « Tamin’io fotoana io ihany koa dia lehilahy iray ihany koa no novonoin’ny mponin’Ankatso raha sendra hiantsena maraina » hoy izy. Nitondra vola maromaro ity lehilahy ity raha ny fanazavana ka noahihian’ireto mponina ireto ho olon-dratsy. Mirongatra loatra ny asa ratsy eto amin’ny firenena ka tsy hain’ny vahoaka havahina intsony ny tena marina sy ny diso.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire