Dépêches

Halatra moto : lehilahy miisa 08 no vosambotra ary moto halatra miisa 07 no tra-tehaka teny amin’ireto olon-dratsy

27 Jolay, 10h30. Moto halatra miisa 07 no indray tratran’ny Polisim-pirenena ny faran’ny herinandro teo ary lehilahy miisa 08 no tra-tehaka tamin’izany. Misy amin’izy ireo no mitondra basy rehefa manao ny asa ratsiny. Ny moto sasany aza dia efa voaloko sy efa nisolo ny tao anatiny saingy izao tra-tehaky ny Polisy izao. Teny any amin’ny faritra Andohan’i Mandroseza sy Ambohipo , ary 67ha no nahatratrarana ireto olon-dratsy ireto, ary mbola misy amin’izy ireo no voarohirohy amin’ny resaka famakiana trano

Laisser un commentaire