ActualitésTatitra

Europe : Tandindomin’ny « Variant Delta » ny antsasak’ireo olon-dehibe efa vita vaksiny

Efa manodidina ny 55% eo ho eo ny olon-dehibe vita vaksiny tanteraka any Europe hoy ny « Commission Européenne » ny 22 jolay lasa teo. Tanjona ny hahatratrarana izany ho 70% saingy noho ny variant Delta dia nihananahirana ny fanaovam-baksiny. Efa nahitana fiparitahana be tamin’ity variant ity any amin’ny firenena maro ao Europe izay atahorana hanimba ny toe-karena. Manodidina ny 200 tapitrisa ny olona ao Europe amin’izao fotoana izao. Atahorana tokoa ity « variant » niseho voalohany tany Inde ity izay efa manomboka mahazo vahana any amin’ny firenena hafa maneran-tany. « Efa mitohy anefa ny fanarenana ny toe-karena tao Eoropa no indro tonga indray ny variant Delta » hoy filohan’ny Banky foiben’i Europe, Chistine Lagarde.

Laisser un commentaire