ActualitésTsidika

Tsy fantatra mazava izay tena ketrehin’ny antoko mpanohitra

Nikaon-doha ny Mpanohitra ao anatin’ny RMDM sy ireo herivelona samihafa toy ny Firaisamonim-pirenena, sendika, sy antoko maro samihafa ny zoma 23 jolay lasa teo.  « Vonona hanavotra ny firenena izahay » hoy ny ambetin-tenin’izy ireo tamin’izany. Fa inona marina ny zava-misy eto amin’ny firenena ?  « 2 taona sy tapany tsy misy fanantenana ny vahoaka Malagasy” hoy ny filohan’izy ireo. « Zavatra telo ihany no mampahantra ny firenena: tratry ny loza voajanahary mahatsiravina, ady an-trano, tsy fahaiza-mitantana » hoy i Marc Ravalomanana.

Tsy afaka maneho hevitra, lalàna efa hoe tsy azo hivalozana ny didy havoaka, kanefa ovaina sy azo ivalozana indray. Matoa aho samy mitarika ohatr’izao, efa fantatro, manana vahaolana izahay », hoy i Marc Ravalomanana, izay niantso fahasahiana hijoro, hilaza ny tsy mety. Inona no mety ho ataon’ireto mpanohitra ireto ato ho ato ?

Mitondra vahaolana tokoa ve sa vao maika hampiditra olana eto amin’ny firenena ? Rehefa mihetsika ny mpanohitra dia hita fa demokrasia i Madagasikara, kanefa tsy ho atao hampisy olana eo min’ny mpitondra akory izany satria ny hampandroso an’i Madagasikara no tanjona iombonana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire