Mihalafo vidy ny atody
16 Jolay, 09h00. Ankoatra ny vary sy ny menaka dia efa mahatratra 700Ar ihany koa ny vidin’ny atody eny amin’ireo mpanjinjara sasan-tsasany. Mitaraina ny amin’izany ny mpanjifa noho ny fahasahiranana efa misy eto amin’ny firenena noho ny kirizy ara-pahasalamana.
