ActualitésTsidika

Fisokafan’ny fitsarana miaramila tamin’ny fomba ofisialy

 Midika ho fanompoana sy fitiavan-tanindrazana ny fanatevenan-daharana ny tafika Malagasy satria ny vahoaka no mamaritra ny firenena ary ny fiarovana ny vahoaka dia midika ho fiarovana ny tanindrazana. “Miainga amin’ny kely vitako ho an’ny firenena amin’ny alalan’ny firotsahako ho ekipan’ny tafika mba hiaro ny vahoaka sy ny fananany ny fampandrosoana ny firenena” hoy I Chef Elie ao amin’ny tafika Malagasy. Mila tafika isika araka izany mba hahandrian’ny firenena eo ivohon’ny vato ka hiadana sy ho finaritra ny vahoaka.

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy 15 Jolay teny amin’ny CEMESS Soanierana ny Fitsarana miaramila taona 2021. Nanome voninahitra izany ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena notronon’ireo mpiara-miasa akaiky aminy. Adidy amin’ny tanindrazana izany fitsarana miaramila izany ary tokony handalo izany avokoa ireo zatovo Malagasy na lahy na vavy hoy ny Talen’ny Fanompoam-pirenena sy Fiandry ny Jeneraly Rasolonirina Roger raha namelabelatra mahakasika ny atao hoe Fitsarana miaramila. Notolorana mari-pankasitrahana ihany koa ireo mpiasa mendrika eo anivon’ny Fitaleavan’ny Fanompoam-pirenena sy Fiandry. “Entanina hatrany ireo zatovo lahy sy vavy 19 hatramin’ny 31 taona mba hanatanteraka ny adidiny amin’izany fitsarana miaramila izany” hoy ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire