ActualitésTatitra

Etats-Unis : « La frittata de homard Zillion Dollar », omelette ho an’ny mpanan-karena

Toeram-pisakafoana iray ao New York antsoina hoe « Norma’s » ao amin’ny hotely lehibe iray « Le Parker Méridien » dia manome tsiro miavaka ho an’ny mpanjifany amin’ny vidiny ambony dia ambony. Anisan’izany ny « La frittata de homard Zillion Dollar » izay atody hendasina amin’ny ankapobeny nefa amidy 1 000 Dollars (4 000 000 Ar).

Misy fangarony lafo vidy nefa io atody io, homard sy atodin-trondro (caviar) 280 grama. Raha ny fanazavan’ny talen’ny toeram-pisakafoana, Steven Pipes dia sakafo toy ny rehetra naroso tao amin’ny toerana ihany no niandohan’io atody lafo vidy io saingy nanapa-kevitra ny nilalao ireo « chef ».

Misy koa ny endrika kelikely amin’io sakafo io izay amidy 100 Dollars.

Laisser un commentaire