Fananganan-tsaina nataon’ny Ministera
Ny alatsinainy no andro voalohany amin’ny herinandro iasana, ireo ivon-toeram-panajakana dia tsy maintsy manatanteraka fananganan-tsaina mandritra izany na ny sekoly na ny biraom-panjakana isan-karazany. Vao tsy ela akory izay no nisy ny fanentanana nataon’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny amin’ireo fihetsika tokony atao manoloana ny fananganan-tsaina. Azo lazaina fa tafita ny hafatra satria taorian’io dia betsaka ny olona nanaja ny fampiakaran-tsaina natao hoy ny avy ao amin’izany Ministera izany.
Niavaka ny fananganan-tsaina teto amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny Alatsinainy 12 jolay 2021 las teo satria dia teny amin’ny CSB II Ambohidroa no nanatanterahana izany. Fanomezam-bonihaitra ny firenena ny fananganan-tsaina ary marika ihany koa fa asam-panjakana no atao ka mila manome ny firenena. Nasiany resaka manokana ihany koa ny mikasika ny vaksiny ary tamin’izany no nilazany fa ho atao faran’izay haingana ny hahazoantsika ny vaksiny « Covishield » andiany faha-2. Hanao ahoana tokoa ary ny tahan’ny fanaovam-baksiny manoloana ireo karazana vaksiny mety ho tonga ? Hoy ny fanontanian’ireo mpanara-baovao.
Nicole Rafalimananjara
