SocialTatitra

Belgique : Olona iray tsy hita popoka

Nilaza ny mpamonjy voina any amin’ny faritra Hesbaye-Meuse-Condroz omaly alina teo fa olona iray no latsaka tao amin’ny renirano Ourthe. Mbola tsy hita popoka hatreto ilay niharan-doza. Maro ireo olona nijoro vavolombelona fa nahita olona latsaka tao amin’ny Ourthe, hantsan’i Sy, ny alahady tokony ho tamin’ny 6 ora sy fahefany hariva tany an-toerana. Mpamonjy voina maro be ihany koa avy any Huy no nilatsaka an-drano hikaroka ity olona latsaka ity. Mbola mitohy ny fikarohana ka mitohy hatarmin’ny androany izany raha ny fanazavana voaray. Tsy fantatra ihany koa hatreto ny tena anton’ny loza hoy hatrany ireo mpamonjy voina.

Laisser un commentaire