Ho tonga amin’ny volana Aogosotra ny vaksiny Janssen nomen’ny USAID
12 Jolay, 10h30. Handray vaksiny 165600 fatra i Madagasikara aamin’ny volana Aogosotra izao hoy ny Praiministra ny Alahady 11 Jolay teo. Ny vaksiny Jassen izay Johnson & Johnson no ho avy, fanomezana avy amin’ny USAID. Tsindrona indray ihany no ho atao amin’izy ity raha ny fanazavan’ireo siantifika.
