ActualitésTatitra

Union Européenne : Miady amin’ny fampiasana ny plastika

Manoloana ny fampiharana ny toro-lalana izay mandrara ny fampiasana ny plastika eny an-tsena, nanan-kery nanomboka ny sabotsy 3 jolay teo dia mbola lavitra ny lalàna atrehan’ny Union Européenne. Efa mampihatra io lalàna io sy manaraka tsara izany azy ny firenena européen toy ny France, Grèce ary Lettonie, maharesy lavitra ireo namoaka ny lalàna aza izy ireo. Mbola ahitana fahatarana kosa izany fiovana izany eo amin’ireo firenena 27 ambiny.Kanefa mamaritra io lalàna io fa tokony ary « tsy maintsy ampidirina ao amin’ny lalàna nasionalin’ireo firenena ao amin’ny Union Européenne » nanomboka ny amin’ny 3 jolay 2021 izany. Izany hoe, nanomboka tamin’io daty io dia tsy mahazo mamokatra, mividy, nanafatra ary manondrana plastika intsony ny Union Européenne. Milaza ny depiote Frédérique Ries fa 12 volana ny fe-potoana omena ireo mpivarotra ahafahany manafoana ny tahiriny.

Laisser un commentaire