Actualités

Lehilahy nanolana ny zanany vavy roa

Mbola tsy lefy laza no fanolanana ankehitriny ka tokony handrosoana vahaolana maharitra mihitsy mba tsy hisian’izany intsony eto amintsika. « Sazy mafy sy tsy zaka no tena mendrika ireny mpanolana ireny amin’izay fay ny hafa ka tsy hanao izany intsony », hoy i Mbola, renim-pianakaviana naneho ny heviny mikasika ny resaka fanolanana.

« Ny sampana maro no tokony hatsangana mba hikaroka sy hanadihady ny trangana fanolanana misy eto Madagasikara izay hatrany ambany ravin-kazo any », hoy i Cynthia, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo sady mpikambana ao amin’ny fikambanana miahy ny ankizy. Nahitana fahombiazana ny amin’ny fikarohana ny mpanao ratsy tany Ambatolampy.

Rangahy iray, 47 taona, naiditra am-ponja vonjimaika any Ambatolampy raha voalaza fa nanolana sy nandrahona ho faty ny zanany 2 vavy, 19 sy 15 taona, izy. Mitondra vohoka ankehitriny ilay zokiny. Avy any Est Sabotsy, distrikan’i Belambo izy ireo. Tena zanaka naterany izy 2 vavy fa tsy mba zana-badiny, toy ireo tranga matetim-piseho.

« Tena nitory fitiavana anay ny rainay ary tsy avelany hanambady aza izahay raha tsy miaraka aminy aloha satria ny ray hono no voaloham-bady » hoy ny fanazavan’izy roa vavy. Nanamparany ny filan-dratsiny avy hatrany anefa ireto zanany rehefa tsy nanaiky. « Efa indroa avy ireto zanany no naolan’ny rainy » hoy ny zandary tany an-toerana. Tsy izay ihany fa nandrahona ireo zanany ilay rangahy mba tsy hiteniteny amin’olona taorian’ny fanolanana raha tsy izany dia hovonoiny ho faty, raha ny fanazavana azo hatrany.

« Tamin’ny volana may teo no nanomboka tsikaritray fa hafahafa ilay zokiny ary hita fa bevohoka » hoy ny fianakaviana. Taorian’izay vao sahy niloa-bava izy ireo fa ny rainy ihany no nanolana azy ka rain’ilay zaza. Nanaiky tokoa ilay rangahy fa nanao ny habibiana, rehefa nanontanian’ny fianakaviana. Nivoaka teo ihany koa ny resaka fa efa voaolany koa ilay vavy kely iray.  Nitory teny amin’ny fampanoavana eo anivon’ny fitsaràna ambaratonga voalohany ny rafozan-dahiny. Nahiditra am-ponja ilay rangahy taorian’ny fiatrehany ny mpitsara mpanao famotorana misahana ny zaza tsy ampy taona ny sabotsy 3 jolay lasa teo.

Ilaina ny fandraisana fanapahan-kevitra entitra manoloana izao trangana fanolanana izay tena mahazo laka izao tokoa.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire