Lozam-pifamoivoizana tany Ambohitrimanjaka sy tany amin’ny RN1
Mila ho isan’andro mihitsy ny lozam-pifamoivoizana amin’izao fotoana izao. Ny alahady 4 jolay lasa teo izao, tsy latsaky ny roa ny loza nisy. « Mila hentitra manoloana ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny resaka fifamoivoizana ny mpitandro filaminana » hoy i Mahefa, mpampiasa lalana avy any Ambohitrimanjaka.
Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray manko tany Ambohitrimanjaka ny alahady alsa teo tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany. Niampita tampoka ilay Moto RS ka nofaon’ilay T-Max izay nandeha mafy, raha ny fitantaran’ny nanatri-maso. Samy naratra ny mpamily roa ka efa nentina namonjy toeram-pitsaboana.
Lozam-pifamoivoizana hafa ihany koa no niseho tamin’iny lalam-pirenena volaohany iny. Tokony ho tamin’ny 2 tolakandron’ny alahady teo no niseho ny tranga teny Tanimenabe, teo anelanelan’Ambodiafotsy sy Ampitatafika. Fiaran’olon-tsotra sy fiara fitateram-bahoaka no nifandona, hoy ny teny amin’ny manodidina. Nisy ny fahasimbana ara-materialy fa tsy nisy kosa ny naratra, hoy ireo sendra nandalo ka nahita ny loza. Inona tokoa no vahaolana manoloana izao lozam-pifamoivoizana efa saika isan’andro izao ?
Nicole Rafalimananjara
