Tsaratanàna : Niara-may tao an-trano izy mivady
Fitiavana, ady izay no mamaritra ny fiainan’ny mpivady iray. Ny ady anefa raha tena mihoatra ny loha dia ahitan-doza tahaka ity niseho tany Tsaratanàna ny talata 29 Jona hariva lasa teo. Lehilahy iray, 29 taona, sy ny vadiny, 23 taona, may kila forehitra tao an-trano, teto Tsaratanàna Andohanilakaka.
Avy any Fianarantsoa ralehilahy, raha avy any Antsirabe ravehivavy ka mpivarotra lasantsy ny asan’izy ireo teto Andohanilakaka raha ny fanazavan’ireo manodidina. Tamin’io hariva io, tsy fantatra izay nahatonga ny adin’izy roa fa fifamaliana sy tabataba no ren’ny manodidina. Avy eo, tazan’ny mpiara-monina nanidy varavarana ilay lehilahy hoy hatrany ny fanazavana azo. Minitra vitsy monja, nidona-tsetroka sy nivoaka lelafo ny varavaran-kely. Nikorapaka ny fokonolona sy ny zandary.
« Gaga aho raha nahita ity setroka nivoaka ny varavaran-kely, somary tsy taitra aloha tamin’ny voalohany fa ny lelafo mihitsy no nipoitra avy eo ka teo vao nikorapaka » hoy ny mpifanolobodirindrina iray. Novohaina, nopoirina, novakiana ny varavarana, saingy taraiky vao nisokatra satria nihidy mafy avy any anatiny. Ny vata-mangatsiakan’izy roa sisa anefa no hita raha vao tafiditra tao an-trano ny trano kosa ravan’ny afo tanteraka hoy ny zandary. Nilaza ihany koa avy eo ny dokotera nanao ny fizahana ny razana fa maimbo lasantsy ny ny razana.
« Tombanana ho namoy fo ny iray tamin’izy ireo ary nakatona ny trano mba tsy hisy ho tafavoaka fa hiara-maty », hoy ny ahiahin’ny zandary sy ny mpiara-monina. Samy tonga naka ny razany ny fianakavian’ny an-daniny sy ny an-kilany.
Nicole Rafalimananjara
