ActualitésTsidika

Fanolorana taratsy fanamarihana amin’ny fahavitan’ny fiofanana asa tanana

« Tsy misy fetrany ny zava-bitan’ny vehivavy » hoy ny avy amin’ny Minisiteran’ny mponina. Vehivavy maro no tia miantsehatra anaty zava-kanto amin’izao fotoana izao. Sady fialam-boly no fivelomana ny asa tanana hoy ny renim-pianakaviana iray sendra anay.

Tetsy an-kilany, notolorana taratasy fanamarinana ireo vehivavy nahavita fiofanana mahakasika ny « broderie sy crochet » amin’ny rofia nandritry ny 5 volana tao amin’ny orinasa Made for a Woman Anosivavaka, Ambohimanarina teto amin’ny faritra Analamanga. Andiany voalohany ireto vehivavy niofana ireto ary mbola hisy ny andiany manaraka hoy hatrany ny avy ao amin’ny Ministeran’ny mponina.

Ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Mponina izay tarihin’ny Minisitra Michelle Bavy Angelica sy ny orinasa Made for a Woman no nahafahana nanatontosa izao. Ezaka tokoa ny fanomezana anjaran-toerana ny vehivavy tahaka izao mba hivelaran’izy ireo misimisy kokoa sy mba hampaleo tena azy ireo.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire