ActualitésTsidika

Nahazo fiofanana ireo komity mpitantana ny U-report Madagascar tao amin’ny faritra Anôsy

Ny U-Report dia sehatra iray ho an’ny tanora hahafahany maneho hevitra. Tontosa tao amin’ny Tranoben’ny Tanora Lanirano Faradofay ny fampiofanana ireo mpikambana ao amin’ny komity mpitantana ny U-Report Madagasikara eny anivon’ny faritra Anôsy izay nahitana ireo solontena avy amin’ny fitaleavam-paritra isan-tsokajiny, ireo fikambanana Tanora sy Scout ary ny Junior Reporters Clubs.

Niisa 110 ireo tanora nisitraka izany fampiofanana izany. Ilaiko ny mivelatra amin’ny maha tanora ahy mba hanomanako ny hoaviko hoy ny tnaora iray nahazo fiofanana tany an-toerana. Ny fiofanana dia niompana tamin’ny fampiasana ny U-report sy ireo paikady entina hampielezana izany. Izany fiofanana izany no tanteraka dia noho ny fiaraha-misalahy teo amin’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny Unicef Madagasikara ary ny Agence Torio.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire