ActualitésTsidika

Miaritra ny mafy ireo mpamokatra lavanila

Raha atao indray mijery ny toe-karena eto Madagasikara, azo lazaina ho tena reraka sy latsaka ambany tanteraka. Manaporofo akaiky izany ny maha-laharana faha-2 an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra ara-toekarena iraisampirenena.

Fa raha hidirana kokoa ny aty anatiny, maneho mivantana izany ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimo izay sady mampalahelo no mahamenatra raha jerena ireo fotdrafitr’asa mirentirenty eran’ny tanàna. Tsy ny any atsimo ihany anefa, misedra ny mafy ary mizaka ny tsy eran’ny aina ihany koa ireo mpamokatra lavanila. Teo aloha, nahatratra 200 000ar ny vidin’ny kilaon’ny lavanila maitso ary tafakatra hatramin’ny 2 000 000ar ny masaka sy efa voakarakara. Matetika anefa, miteraka olana hatrany ny fitsabahan’ny fitondram-panjakana amin’ny fiharian’ny mponina ary manaporofo izany ny olana sedrain’ny mpamokatra lavanila noho ny fidiran’izy ireo tamin’izany. Ankehitriny, mandohalika sy mitalaho ireo mpamokatra noho ny tsy fisiana sy fahasimban’ny vokatra fotsiny, ary manaiky hamarotra izany 15 000ar ny kilao.

Potika sy rava ny fiharian’ireo mponina noho ny fitsaabahan’ny fanjakana amin’ny zavatra tsy tokony handraisana anjara akory. Misedra ny mafy ireo mpamokatra noho ny fiakaran’ny vidim-piainana anefa ny fihariana tsy maharaka izany. Rehefa tafalatsaka an-davaka ireo mpamokatra, tsy hita intsony indray ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana.

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire