Grande-Bretagne : Iza no handimby an’i Novak Djokovic sy i Simona Halep ?
Manomboka androany ny lalao Wimbledon amin’ny taranja « tennis ». Misantatra lalao androany i Novak Djokovic, hifanandrina amin’i Jack Draper. Tahaka izany koa i Stefanos Tsitsipas, hilalao amin’i Frances Tiafoe. Amin’ny 10 sy 11 jolay ny lalao famaranana.Raha tsiahivina dia nofoanana ity lalao ity tamin’ny herintaona, noho ny firongatry ny coronavirus tao Grande-Bretagne. I Simona Halep sy i Novak Djokovic, izay nibata ny amboara tamin’ny 2019, izany no mpilalao nandresy farany tamin’ity fifaninanana ity.Tsy mandray anjara amin’ity lalao ity kosa i Rafael Nadal. Noho ny havizanana ara-batana sy ara-tsaina taorian’ny fifaninanana Roland-Garros no antony, hoy i Carlos Moya, mpanazatra azy.
