ActualitésTsidika

Tsy fanarahan-dalàna eny amin’ny lalaom-baovao « Rocade d’Iarivo »

Ny 24 jona teo no nanokafana ny Rocade an’ny Iarivo vaovao. Betsaka no hisitraka ny fahavitan’ny lalàna satria sady mampihena ny fitohanana izay mampikaiky ny olona izany. Nilaza anefa ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena fa Taorian’ny fisokafan’ny lalam-baovao « Rocade » dia tsikaritra fa maro ireo mpampiasa làlana tsy manara-dalàna ka mety hitarika hatrany amin’ny lozam-pifamoivoizana.

Nisy araka izany ny fidinanan’izy ireo teny an-toerana ka nampianatra an’ireo mpampiasa ny làlana hisorohana izany. Nasain’ny Polisy  nanaraka ny làlana natokana ho an’ny bisikileta ireo mpitondra izany fa tsy ho any amin’ny arabe. Ireo fiara mipetraka amoron-dalana mijanona mivarotra sy mirevy dia tsy nisy navela nijanona teo fa avy dia nalefa nandeha avokoa. Ireo mpandeha an-tongotra kosa dia nentanin’izy ireo tsy hanao maloto sy hanary fako eny rehetra eny fa hanaja hatrany ny fahadiovana. Izany no natao dia hisorohana ny lozam-pifamoivoizana sy fampianarana ny mpampiasa làlana hanara-dalàna hoy ny mpitondra tenin’ny Polisy ao amin’ny CSP8 Analamahitsy.

Tsy nisy ny fanasaziana fa fanentanana no natao hoy hatrany izy ireo. Naneho hevitra ny mpandeha tongotra iray ka nanao hoe: « Tokony manaraka ny fanentanana ny asa atao, rehefa manentana dia tokony manolotra vahaolana fa tsy mandra be fahatany, tsy asaina manary fako ny olona noho izany tokony misy fitoeram-pako isakin’ny 15 metatra ».

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire