ActualitésTsidika

Mila arahina hatrany ireo fepetra ara-pahasalamana manoloana ny fetim-pirenena

Hifety isika, hifampiarahaba noho izoa tsingerin-taonan’ny nahazahoana ny fahaleovan-tena izao. Ny daty tsy miova fa ny 26 jona fa ny zava-misy no misy fiovana.

Nivezivezy teto amintsika nanomboka ny taona 2020 ny valan’aretina Covid-19. Tonga ny fetim-pirenena fa tsy tapitra akory ny ady amin’io valan’aretina io. Koa amin’izany indrindra no anentanan’ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka izay tarihan’ny Minisitra Rakotovao Jean Louis Hanitrala mba hitandreman’ny tsirairay manoloana izao asaramanitra izao.

Mbola tsy resy tanteraka ny coronavirus eto amintsika koa manentana antsika hatrany mialoha sy mandritra ary aorian’ny fety fa hitsinjovana ny tsy hiparitahan’ny valanaretina Coronavirus mba hanaraka ireo fepetra ara-pahasalamana napetraka hoy ny avy ao amin’ny Minisitera. Ny fampiharana sy ny fanajana ny fepetra no antokin’ny fandresena ny coronavirus.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire