Tunisie : Fihibohana tanteraka ho an’ny faritra efatra
Mihiboka tanteraka ny ny faritra Béjàn Siliana, Zaghouan, Kairouan any Tunisie amin’izao hatramin’ny 27 jona izao mba hanamorana ny fandraisana an-tanana ireo marary ao amin’ireo hôpitaly any an-toerana. Efa manomboka ho hiboka mantsy ny hopitaly ka tsy maintsy mandray izao fanapahan-kevitra izao ny Governemanta any Tunisie.Herinandro ihany ireto faritra 4 ireto no mihiboka tanteraka izay hatramin’ny 27 jona izao hoy ny fari-piadidian’ny governemanta Tunisie. Ireo faritra ireo izay efa maherin’ny 400 ny tranga hita tamin’ny mponina 100 000 tao anatin’ny 14 andro. Hapetraka hatrany anefa ny toerana fandraisana ny marary any amin’ireo faritra ireo hoy ireo mpanolo-tsaina ny Praiminisitra Hichem Mechichi. Mitohy kosa anefa ny fanadinana ho an’ireo mpiantra ary ny mpitandro filaminana misehatra ao amin’ny fahasalamana no mandamina ny toerana mandritra io herinandro io.Nahitana tranga miisa 382 950 izao tany Tunisie ary maty miisa 14 038 nanomboka tamin’ny volana Mars teo raha ny tatitra nataon’ny Oniversite Amerikanina Johns Hopkins.
