ActualitésTsidika

Hitety tokantrano ireo mpanao vaksiny polio

Sarontsarona ny polio na ny lefakozatra tao ho ato noho aretina Covid-19. Efa nahazo ny taratasy fanamarinana ho firenena afaka polio i Madagasikara hoy ny loharanom-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka nefa tsy tokony hohadinoina fa manamafy ny fiarovana ny zaza ny vaksiny. Hiverina ny 28, 29 ary 30 jona izao indray ny fanatontosana izany, ary ny zaza 0 hatramin’ny 59 volana no kendrena.

Mampiavaka ity vaksiny ity ny tsy fanantonana eny amin’ny tobim-pahasalamana, fa ireo mpanatanteraka ny vaksiny no hitety ny isam-baravarana. “Vohay ny varavarana ho an’ireo mpiasan’ny vaksiny!” io no hafatra nentin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka hanentanana ireo faritra 15 voakasik’ity hetsika ity, Analamanga, Amoron’I Mania, Atsinanana, Androy, Ihorombe, Melaky, Vatovavy Fitovinany, Vakinankaratra, Androy, Anosy, Menabe ary Atsimo Andrefana.. Marihina fa maimaim-poana ireo vaksin-vava roa mitete ho an’ny zaza ireo.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire