Nisy nangalatra ny fantsona mirefy 200 m tany toliara
Nimenomenona ny olona ny amin’ny Jiro sy rano manerana ny nosy ka nitady vahaolana ny avy ao amin’ny Jirama. Nametraka fantsona marobe nanaoerana ny nosy mihitsy izy ireo. Misy foana anefa ny gasy tia kely sy misopatra fa dia nisy nangalatra indray ny fantsona mirefy 200m tao Andranomena Toliara.
Noho ny fisian’ny halatra fantsona sy ankasomparana dia faritra maro ao Andranomena sy ny manodidina no tsy hisitraka rano hoy ny fanambaran’ny avy ao amin’ny orinasa Jirama. Efa nampijaly anay ny rano hatramin’izay ary indro koa ny vaovao manaraka raha vao saika hivaha ny olana hoy ny renim-pianakaviana iray tany Andranomena nanoloana izao zava-nitranga izao.
Mampalahelo ny toe-tsaina tahaka izany, tsy mijery ny tombontsoa iombonana fa ny tombontsoany samy irery ihany no fantany hoy ny olona sasany. Naneho fialan-tsiny nanoloana ny fahatapahan-drano ny avy amin’ny Jirama satria sady niteraka fahasahiranana ho an’ny olona maro izany.
Nicole Rafalimananjara
