Faty olona tao anaty tatatra
22 Jona, 11h30. Vehivavy iray no hita faty teny Andohan’i Mandroseza ny maraina teo. Tsy lavitry ny Ambasady akaiky ny fanariam-pako no nahita ny vata-mangatsikany nitsirara tao anaty tatatra. Tsy misy mahafanatra azy ny manodidina, ary tsy misy mahalala izay mety nanjoa azy.
