SportTsidika

Baolina kitra : Manao ezaka lehibe ny AS Adema

Manomboka mahazo sehatra ny tranja baolina kitra ankehitriny. Ity fanatanjahan-tena iray ity dia isan’ny sokajiana ho malaza indrindra maneran-tany ary toy izany koa eto Madagasikara indrindra fa taorian’ny nandraisantsika anjara tamin’ny CAN 2019. Mitohy androany ny lalao fifanintsanana miverina amin’ny Orange Pro Leaugue izay tontosaina eny amin’ny Complexe Sportif Votovorona. Lalao izay hihaonan’i As Adema sy Cosfa tamin’ny 12 ora ary i Ajesaia sy i Five Fc amin’ny roa ora sy sasany androany. Ny AS Adema no mitàna ny lohany ao amin’ny sokajy an-kapobeny amin’izao izay manana isa 9 be izao. Manana tombony 4 izy raha oharina amin’ny Cosfa sy Ajesaia ao anatin’n sokajy. Efa ezaka be no nataon’ireto AS Adema ireto ary raha mandresy amin’izao lalao izao izy ireo dia hibata ny amboara 2021 amin’ity lalao ity hoy ireo mpakafy ny AS Adema hita teny an-toerana. Efa somary lavitra kosa ny isa raha ho an’ny Five FC. Ny zava-dehibe dia efa maro ny tanora liana amin’ny baolina kitra ankehitriny ary miatomboka amin’izy ireny no hipotran’i Madagasikara amin’ny lalao maneran-tany izay efa manomboka ihany koa ankehitriny.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire