ActualitésTatitra

Maurice : Notorian’ilay ramatoa ilay mpitsabo voalazany fa nanao fanararaotana taminy

Vehivavy efa-polo taona mahery, mipetraka any Pointe-aux-Sables, no nametraka fitarainana teny amin’ny polisy tao Line Barracks omaly alahady. Nanazava izy fa nankany amin’ny hopitaly Jeetoo any Port-Louis ny alakamisy lasa teo mba hitsabo tena kanefa nokasikasihan’ilay mpitsabo tany amin’ny faritra miafiny.Tokony ho tamin’ny 9 ora teo no tonga teo amin’ny Hopitaly ity ramatoa ity ary ora iray taty aoriana no noraisin’ny mpitsabo lehilahy iray. Nitaraina tamin’ilay mpitsabo izy fa misy manaintaina ao amin’ny kibony ao ary nokasikasihan’ity mpitsabo ny faritra maro tamin’ny vatany. Tsy vitan’izay fa nampidirin’ilay mpitsabo tao anatin’ny faritra mahamenatra ny ratsan-tanany iray. Nasain’ity mpitsabo nivoaka indray izy hanao fitarafana any amin’ny trano hafa ary avy eo naveriny noraisina indray ka nitohy ny fikasihana tahaka ny teo aloha. Nitaraina tany amin’ny polisy araka izany ilay ramatoa noho izao fikasihana mamoafady izao.

Laisser un commentaire