SocialTatitra

Chine : Tsy latsaky ny telo no maty taorian’ny firodanan’ny trano

Nisehoana firodanan’ny trano fonenana iray tany Chenzhou Hunan Chine izay niteraka fahafatesan’olona tsy latsaky ny telo. Ny sabotrsy 19 jona hifoha alahady teo no nisehoan’ny firodanan’ny trano fonenana iray hoy ny mpanao gazety tany an-toerana.Mpamonjy voina efa ho an-jatony no naira-nisalahy nanavotra ain’olona sy nanatanteraka ny asany teny an-toerana. Iray andro taorian’ny firodanana vao hita ny fatin’ireto olona telo ireto. Valo kosa no naratra ary nalefa haingana tany amin’ny vonjy taitra tao amin’ny hopitaly.Niorina tamin’ny 1983 ity trano ity hoy i Huang Yongqing, tompon’ny toeram-pivarotana iray tao amin’izany trano izany ary notovanana rihana iray ho rihana fahefatra indray ilay izy taty aoriana. Tsy fantatra anefa hatreto no tena anton’izao loza izao hoy ireo mpanadihady fa isan’ny nahatonga ny loza fotsiny ny nanatovonana ny rihana ho lasa efatra. Mbola mitojhy hatrany ny fanadihadihana lalina hamatarana ny tena marina.

Laisser un commentaire