Angleterre : Nandrobaka ny amboara tamin’ny « Tournoi de Birmingham » i Ons Jabeur
Ilay mpilalao tennis vehivavy avy any Tunisie, Ons Jabeur, no nandrombaka ny amboara tamin’ny miditra amin’ny WTA izay natao tany Birmingham any Angleterre. Omaly 20 jona ny lalao famaranana izay nifanandrinan’i Ons Jabeur tamin’ny Daria Kasatkina izay avy any Russie. Nandresy tamin’ny isa 7-5, 6-4 izy tamin’izany. Izy izany no vehivavy arabo voalohany nibata ity amboara ity izay 26 taona ary nitana ny laharana faha24 maneran-tany. Efa tafiakatra tamina lalao famaranana indroa tamin’ny 2018 tany Moscou izay resin’i Kasatkina sy i Charleston tamin’izany lalao indroa izany.
