SocialTsidika

Isika Malagasy no voalohany tokony hanjifa ny arendrina vita Malagasy

Andro vitsy sisa dia ho avy ny fetim-pirenena. Efa manomboka maresaka eny an-tsena eny ny hanitry ny fety, indrindra ny ravaka isan-karazany manamarika izany. Mirentirenty ny karazana kilalao ho an’ny ankizy en an-tsena.

Tsikaritra fa mahazo vahana mihitsy ny kilalao vahiny indrindra ny vita sinoa toy ny arendrina manjelanjelatra. Isika Malagasy anefa manana orinasa kely maro manamboatra ireny arendrina ireny. Firifiry anefa no mba manjifa izany ? Toa voasariky ny arendrina vahiny aza ny maro. « Ny kilalao vita sinoa no sady mora no manintona maso avy hatrany indrindra ho an’ireo ankizy », hoy i Michella, renim-pianakaviana iray teny amin’ny tsenan’Analakely. « Raha azoko atao anefa, aleoko mividy arendrina taratasy satria ireny no vita gasy, ny 26 jona rahateo fety Malagasy fa tsy fety sinoa akory ka ny an’ny sinoa indray no arentirenty » hoy indray ny mpiantsena hafa teo akaiky teo.

Marina fa samy manana ny safidiny kanefa isika Malagasy aza tsy mahay mifanohana ka iza no hanjifa ny vita Malagasy. Isika no voalohany hividy ny asa tanana eto amintsika izay Malagasy toa antsika ihany no manao azy. Tsy aleo manosika ny manan-talenta Malagasy toy izay hanosika ny vahiny efa mandroso ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire