Etats-Unis : Tsy nanadino ny tsingerintaonan’i Johnny Hallyday i Laeticia
Na dia efa nanorim-piainana vaovao tany Californie niaraka tamin’i Jalil Lespert aza i Laeticia Hallyday dia tsy nanadino ny vadiny taloha, Johnny Hallyday izay vadiny nandritra ny 20 taona. Nampatsiahivin’i Laeticia tao amin’ny kaonty Instagram àry ny faha-78 taona nahaterahan’i Johnny ny 15 jona. Nanamarika io andro io ihany koa i Laeticia tamin’ny alalan’ny fitondràny ny zanany roa vavy, Jade sy Joy, sy ny namany, Emmanuel Philbert de Savoie sy i Nadia Lanfranconi, tany andrefan’i Etats-Unis. Nampiany teny mamy toy ny manambara fa na dia maty aza i Johnny dia toy ny miara-dalàna aminy mandrakariva eo amin’ny fiainany indrindra amin’io 15 jona io. Mbola mahatsiaro foana ity mpiangaly rock ity izy ireo araka izany, indrindra rehefa mitsingerin ataahaka izao ny daty nahaterahany.
