ActualitésTsidika

Nanolotra vola 53 miliara Ariary ny firenena sinoa

Liana amin’ny fanampiana sy fanohanana an’i Madagasikara ankehitriny ny firenena vahiny. Raha nitondra ny fanampiany ny firenena any Etats-Unis tamin’ny vola mitentina 40 tapitrisa Dolara ho fanohanana ny any Atsimo. Manomboka mitodika aty marina ve ny mason’izao tontolo izao ?

Tonga nanolotra vola mitentina 53 000 tapitrisa Ariary indra manko ny fanjakana Chine tamin’ny alalan’ny masoivohon’ny Chine eto Madagasikara. Izany dia ho fanampiana ny fanarenana ny toe-karena Malagasy taorian’ireny krizy naterakin’ny valan’aretina ireny. Nomena maimaipoana io vola io mba ho mariky ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. « Azo antoka ve ny handrosoan’i Madagasikara amin’izay manomboka eto ? » Hoy ny fanontanian’ny mpanara-baovao. Miandry ny tetik’asa mahakasika ny toe-karena araka izany ny vahoaka.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire