Tafaverina ihany ilay volamena noendahana teny Antohomadinika
15 Jona, 16h00. Nisehoana fanendahana teny Antohomadinika androany tokony ho tamin’ny 10 ora maraina teo. Nitaraina noho izany ireo olona lasibatra ka nanatona ny polisy akaiky teo. Niaraka nikaroka ilay mpanendaka ireo polisy sy ny voaendaka ka tratra teny Antohonadinika ihany ny roa tamin’ireo olon-dratsy. Tafaverina soa aman-tsara ihany ny rojo volamena milanja 18 grama noendahan’izy roa lahy ireto.
