Any amin’ireo renivohim-paritany ihany no hisy fankalazana ny fetin’ny 26 jona
Anisan’ny fety teny andrandrain’ny Malagasy maro ny fetin’ny fiverenan’ny fahaleovan-tenan’i Mdagasikara. Ankoatra ny maha-fetim-pirenena azy, ahitana karazana hetsika ara-kolotsaina maro ny fetin’ny 26 jona raha tsy hilaza afatsy ny harendrina sy ny matso fanaon’ireo manam-pahefana maro eto amin’ny firenena. Voatery nofoanana ary nasiana fanovana anefa izany fankalazana izany ny taona 2020 noho ny fisian’ny hamehana ara-pahasalamana vokatry ny fisian’ny coronavirus teto amin’ny tany sy ny firenena. Mbola mitohy izay fankalazana tsy toy ny isan-taona izay amin’ity taona 2021 ity, efa iaraha-mahita ny mbola fisian’ny valan’aretina covid-19 ka tsy maintsy hanarahana ireo fepetra sakana isan-karazany. Noho izany indrindra, nanapan-kevitra ny fitondram-panjakana ary nanambara nandritra ny kabary naton’ny filoha ny alin’ny alahady 13 jona lasa teo fa ireo renivohim-paritany 6 ihany no anaovana fankalazana amin’ny fomba ofisialy ny fiverenan’ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara. Toamasina, Mahajanga, Antsiranana, Toliara, Fianarantsoa ary Antananarivo, ireo ihany no ahitana ny matso izay fanao isaky ny 26 jona. Miankina betsaka amin’ny vahoaka sy ny fanarahana ireo fepetra sakana isan-karazany ihany ny mety mbola hampiverina na tsia ny valan’aretina sy ny fihibohana tanteraka eto Madagasikara.
Ally Herisoananahary
