ActualitésTsidika

Ireo tsara ho fantatra mikasika ny vaksiny Covishield

Mandeha ny fanaovam-baksiny ankehitriny ary afaka misitraka izany avokoa ny olom-pirenena rehetra maherin’ny 18 taona. Misy ny misalasala ka milaza hoe: « sao dia ho fatifaty foana amin’izany izahay ». Ao kosa ireo tapa-kevitra fa saingy tsy noho ny fahasalamana fa noho ny mety hitakiana ny taratasy manamarina fa vita vaksiny ilay olona amin’ny taratasim-panajakana. Tsy vitsy ihany koa ireo manao ny vaksiny ho tena fiarovana marina amin’ny Covid-19. Maro karazana ny vaksiny fa ny vaksiny noforonin’ny AstraZeneca/Oxford antsoina hoe Covishield no nosafidiana ho atao eto Madagasikara. Misy ireo tsara ho fantatry ny rehetra mikasika io vaksiny io izay nampafantarin’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Vaksiny entina hamokarana hery fiarovana iadiana amin’ny coronavirus sy ireo « variants » ny Covishield, raha ny nambaran’ny rantsana maneran-tany ho an’ny fahasalamana na ny OMS. Mandaitra ary miaro hatramin’ny 65% amin’ireo tranga covid tsotra ary 100% amin’ireo tranga misy fahasarotana ity vaksiny ity. Averina hatrany fa natao ho an’ireo manomboka ny 18 taona miakatra izy ity. Nambaran’ny OMS hatrany fa isan’ny vaksiny be mpampiasa indrindra maneran-tany ity ary efa natsindrona ny mpiasan’ny firenena mikambana eto Madagasikara avy amin’ny “Initiative Covax” izay tohanan’ny OMS, ny UNICEF ary ny CEPI. Tsindrona roa no tsy maintsy atao ka mielanelana 8 hatramin’ny 12 herinandro ny tsindrona voalohany sy faharoa. Na izany aza anefa nanambara hatrany ny Minisitera fa mety hiteraka tranga itatra maivana toy ny aretina an-doha, fanaviana, salebolebo sy hafa ity Covishield ity. Mety ihany koa hiteraka tranga itatra mavesatra toy ny fivainganan’ny ra saingy an-kavitsiana satria 4 amin’ny 10 tapitrisa hoy ny Akademiam-pirenena momba ny fitsaboana eto Akademiam6pierenena momba ny fitsaboana eto Madagasikara. Mikasika ity farany ity dia naneho hevitra ny olon-tsotra iray ary niteny hoe raha 4 ao anatin’ny 10 tapitrisa no mety ho tratran’ity tranga itatra mavesatra ity ka izaho ilay maha4 azy dia ahoana? Matahotra ihany izany amin’izany satria lazaina foana fa samy manana ny toe-batany io, ny fahasalamako tsy tahaka ny an’ny mpiasan’ny fahasalaman’ny firenena mikambana. Na eo izany ity fanazavana ity mbola tsy miala foana ny tebitebin’olona mikasika izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire