Fanombohan’ny « Bus Class »
09 Jona, 10h12. Nilaza ny talen’ny fitaterana eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Rafenoarisoa Bemana Vigor, fa hanomboka amin’ity volana Jona ity ny « Bus Class » na farafahatarany amin’ny tapakin’ny volana Jolay izao. Manana ny safidiny ny tsirairay ho amin’izay fiara fitaterana handehanany ary tsy hifamono amin’ny fiara fitateram-bahoaka tsotra izy ity fa natao hanampiana azy ireo indrindra aza.
