Fanamboarana ny lalàna Ambohidratrimo-Ambohitahara
Ankoatra ireo fotodrafitr’asa izay nijoro sy notokanana tao anatin’ny herinandro maromaro izay, tsy azo atao ambanin-javatra ihany koa ny fanamboarana sy fanatsarana ireo lalàna ifamezivezena ho an’ireo faritra maro eto Madagasikara. Maro tamin’ireny no efa an-dalam-pamitana sy efa vita aza, fa hanampy ireny ihany koa ny lalàna eny amin’iny faritra Ambohifdratrimo iny. Efa miroso amin’ny fanamboarana izany ireo tompon’andraikitra ankehitriny. Lalàna izay miainga eo amin’ny tombin-tsolika shell Ambohidratrimo hatrany Ambohitahara. Ho vitaina tara mihitsy ity lalàna ity ka mety ho voaelingelina ny fivezivezena ao anatin’ny roa andro amin’ny fanaovana izany. Maro ihany izay lalàna efa namboarina sy nohatsaraina izay teto andrenivohitra fa tsy vitsy tamin’ireny koa anefa no zara raha nahadingana taona iray akory. Fa angaha tsy hoe fotodrafitr’asa manara-penitra sady maharitra ilay aoriana? Sa ve vonjy maika fotsiny ihany? Ny zavatra vita efa tsy maharitra, isika vahoaka koa mbola tsy mahay manaja. Hanan-javatra tsara mihitsy isika raha toy izany foana ?
Ally Herisoananahary
