Fanaovam-baksiny eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo
Tao anatin’ny roa volana nisian’ny hamehana ara-pahasalamana, niato ihany koa ny fampianarana teny anivon’ny anjerimanontolo ary tsy vitsy ireo mpampianatra sy mpandraharaha no lavon’ity valan’aretina covid-19 ity. Na izany aza, nitohy kosa anefa ny fampianarana nanomboka ny 2 jona lasa teo ary ao anatin’ny fanarahana tanteraka ireo fepetra ara-pahasalamana izany rehetra izany. Tsy diso anjara ihany koa anefa ireo mpisehatra eny anivon’ny anjerimanontolo amin’ny fisitrahana ny vaksiny fanefitry ny covid-19 hany ka nametrahana toeram-panaovana vaksiny miisa 2 eny anivon’ity toeram-panovozam-pahalalana ambaratonga ambony ity hatramin’ny 17 jona ho avy izao. Afaka hisitraka izany avokoa ireo rehetra mifamoivoy eny an-toerana fa kosa napetraka ho laharam-pahamehana ireo mpandraharaha sy mpianatra eny anivon’ny oniversity Antananarivo. Toy ny teo aloha hatrany, an-tsitrapo tanteraka tsy misy fanerena ny fanaovana ny vaksiny. Ireo mpianatra izay mahatratra aman-jatony maro no iray efitrano fianarana, tsy misy vahaolana hafa sy azo antoka hisorohana ny mety ho fiverenan’ny valan’aretina mihitsy ve ?
Ally Herisoananahary
