Hitsidika an’Ambatomanga sy ny fromaziny ny Office Régional du Tourisme
Mahazatra ny Office régional du tourisme d’Analamanga ny mitondra ireo mpitsangatsanganany isaky n faran’ny herinandro saingy noho ny valan’aretina dia voatery natsahatra izany. Nilaza àry ry zareo fa hitohy manomboka ny sabotsy 12 Jona izao ny fitondrana ireo mpitsangatsangana ao aminy ho any amin’ny mpanao asa tanana sy mpanao fromazy any Ambatomanga. Miverina indray araka izany ny fandaharam-potoana mitsangatsangana isaky ny faran’ny herinandro noho izao tsy fisian’ny fihibohana isaky ny faran’ny herinandro izao. Manolotra fandehanana tongotra amin’ny 9 km ny Ortana manodidina an’Analamanga hoy izy ireo tao anaty filazana. I Ambatomanga no tanjona izay 35 km mianatsinana ny renivohitra fantatra amin’ny fanamboarana fromazy. Mandritra ny 2 ora sy sasany eo ny dian-tongotra ho atao iza hitsidihana ny atrik’asa fanamboarana asa tanana isan-karazany sy ny fanamboarana fromazy. Malagasy maro tokoa mantsy no mbola tsy nahita an’izan Ambatomanga izay tena reharehan’ny firenena amin’ny fromazy ataony izany.
