Etats-Unis : Tovolahy iray niditra alina tao amin’ny trano feno polisy tao Montana
Taitra niaraka tamin’ny « menottes » ity tovolahy 19 taona raha niditra tao amina trano fandraisam-bahiny « Airbnb » tao Milwaukee izay nofain’ny polisy telo. Mamo tanterak aizy tanora zazalahy ity ary tsy nahatsiaro tena ka niditra fahatany tao. Nilaza ny adjoint ao amin’ny tananan’i Flathead any Montana fa hita natory tao an-trano izay nivahinianan’ireo polisy manao fiofanana momba ny fiaran’ny mpamonjy vola nanomboka ny herinandro teo. Ary mbola namafisin’i solombavambahoaka Charles Pesola izany resaka izany. Naheno feo tany ambony tany tokony ho tamin’ny 2 ora 30 maraina any an-toerana ity solombavambahoaka ity ka neveriny fa iray amin’ireo namany kanefa ora vitsy taorian’izay no nahitany tovolahy hafa natory tao. Ny polisy tao Milwaukee no nisambotra avy hatrany azy izay nilazany fa diso adiresy izy ary tsy fantany akory aza izay nataony.
