ActualitésTsidika

Miroso miandalana amin’ny famoahana ireo tahiry amin’ny hazo tsotra aorian’ny fitsirihana ny Minisitera

Manana anjara toerana eo amin’ny fampandrosoana ny tontolo iainana ny ala voajanahary. Nanapa-kevitra ny hanajary ny sehatra fitrandrahana ny hazo ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy mba hahafahana miantoka ny fitantanana maharitra ireo ala voajanahary. Nisy ny naoty navoaka tamin’ny janoary 2019 izay nampiato ny fitrandrahana, ny fivezivezena ary ny fanondranana hazo. Voakasika manokana ny hazo tsotra avy amin’ireo ala voajanahary. Ny mpitrandraka izay niharan’izany fampiatoana izany dia manana zo feno amin’ireo hazo tahiry ao aminy ary tompon’andraikitra amin’izany. Araka ny tapaka tamin’ny Filankevitry ny minisitra tamin’ny Oktobra 2020, dia miroso amin’ny famoahana tsikelikely ireo tahirin-kazo eny amin’ny mpitrandraka ny MEDD. Faritra maro no voakasika ary isan’ireo efa nanaovana fitsirihana ifotony ny ao Bongolava sy Analanjirofo, mialoha ny hanomezana azy ireo alalana hamoaka izany tahiry izany. Hatreto dia mpitrandraka 16 no afaka mamoaka ny tahirin-kazo ao aminy. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire