ActualitésTatitra

La Réunion : Fifandonana fiara sy mpitondra tongomalady, maty ity farany

Nisehoana lozam-pifamoivoizana androany maraina tany Saint-Paul teo amin’ny lalan’ny Louis Desjardin. Nifandona ny « fourgon » iray sy ny tongomalady iray nandritra izany. Efa tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina saingy tsy tana intsony ny ain’ilay mpitondra kodiaran-droa izay manodidina ny 30 taona teo ho eo. Mafy ny fifandonana teo amin’ny roa tonta ka nahatonga ny fijanonan’ny fifamoivoizana izany saingy tsy naharitra ela akory fa vetivety ihany dia nisokatra izany. Nampitandrina ny hanajana hatrany ny lalàn’ny fifamoivoizana mba hisorohana ny loza tahaka izao ny filan-kevim-panjakana.

Laisser un commentaire